<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Bourgeous</author>
<hymn_number>398</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Iza no hiara-dia
 Ho arý an-danitra,
 Ka hanaiky sy ho tia
 An'Andriamanitra ?
 Ry mikatsaka ny To,
 Atolorinao ny fo ;
 Izao tontolo izao ario,
 Ka ny lanitra fidio.

[V2]
 Sao ho lany amin'ota
 Ny anjara andronao,
 Ka ny helo valin'ota
 No hanjary lovanao ;
 Miovà re hatrizao,
 Miverena hianao ;
 Tadiavinao tokoa
 Ny Mpamonjy Tompo soa.

[V3]
 Mba avia, mianara
 Izay fitondrantena vao ;
 Mikeleza aina tsara,
 Ka reseo ny nofonao,
 Aza mba mamindra fo
 Amin-dratsy ao am-po,
 Fa ongoty avokoa
 Izay misakana ny soa.

[V4]
 Tsy mba misy lalan-kafa
 Hiakaranao ho ao,
 Koa andeha manahafa
 Ny nataon'ny Tomponao.
 Tsy mba mahavonjy anie
 Ny fahaizan-dehibe ;
 Raha ny nofo no hajaina,
 Dia ho very re ny aina.

[V5]
 Dia ny lanitra katsaho
 Ho anjara lovanao ;
 Ny Mpamonjy angataho
 Ho mpitarika anao ?
 Fa izay mpianany
 Dia hotantanany
 Iza no hiara-dia ?
 Mitsangàna ka avia !</lyrics>
<title>Iza no hiara-dia FFPM398</title>
</song>